The Widow's Oil
1. Now there cried a certain woman of the wives of the sons of the prophets unto Elisha, saying, Thy servant my husband is dead; and thou knowest that thy servant did fear the LORD: and the creditor is come to take unto him my two sons to be bondmen.
1. "Une femme d`entre les femmes des fils des prophètes cria à Élisée, en disant: Ton serviteur mon mari est mort, et tu sais que ton serviteur craignait l`Éternel; or le créancier est venu pour prendre mes deux enfants et en faire ses esclaves."
1. "Ary nisy vehivavy anankiray vadin' ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin' i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an' i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompon-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony."
2. And Elisha said unto her, What shall I do for thee? tell me, what hast thou in the house? And she said, Thine handmaid hath not any thing in the house, save a pot of oil.
2. Élisée lui dit: Que puis-je faire pour toi? Dis-moi, qu`as-tu à la maison? Elle répondit: Ta servante n`a rien du tout à la maison qu`un vase d`huile.
2. Dia hoy Elisa taminy: inona àry no hataoko ho anao? Lazao amiko, inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray vilany.
3. Then he said, Go, borrow thee vessels abroad of all thy neighbours, even empty vessels; borrow not a few.
3. Et il dit: Va demander au dehors des vases chez tous tes voisins, des vases vides, et n`en demande pas un petit nombre.
3. "Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin' ny namanao rehetra manodidina; dia vilany foana, nefa aza atao vitsy."
4. And when thou art come in, thou shalt shut the door upon thee and upon thy sons, and shalt pour out into all those vessels, and thou shalt set aside that which is full.
4. "Quand tu seras rentrée, tu fermeras la porte sur toi et sur tes enfants; tu verseras dans tous ces vases, et tu mettras de côté ceux qui seront pleins."
4. Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy ireo zanakao lahy, ary manidìna amin' izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
5. So she went from him, and shut the door upon her and upon her sons, who brought the vessels to her; and she poured out.
5. "Alors elle le quitta. Elle ferma la porte sur elle et sur ses enfants; ils lui présentaient les vases, et elle versait."
5. Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin' ireo zanany, ary izy ireo nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nampidina ny diloilo.
6. And it came to pass, when the vessels were full, that she said unto her son, Bring me yet a vessel. And he said unto her, There is not a vessel more. And the oil stayed.
6. Lorsque les vases furent pleins, elle dit à son fils: Présente-moi encore un vase. Mais il lui répondit: Il n`y a plus de vase. Et l`huile s`arrêta.
6. Ary izao no niseho, rehefa feno ny vilany dia hoy izy tamin' ny zanany: itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa izy taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
7. Then she came and told the man of God. And he said, Go, sell the oil, and pay thy debt, and live thou and thy children of the rest.
7. "Elle alla le rapporter à l`homme de Dieu, et il dit: Va vendre l`huile, et paie ta dette; et tu vivras, toi et tes fils, de ce qui restera."
7. Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin' ny lehilahin' Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan' olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
The Shunammite's Son Restored to Life
8. And it fell on a day, that Elisha passed to Shunem, where was a great woman; and she constrained him to eat bread. And so it was, that as oft as he passed by, he turned in thither to eat bread.
8. Un jour Élisée passait par Sunem. Il y avait là une femme de distinction, qui le pressa d`accepter à manger. Et toutes les fois qu`il passait, il se rendait chez elle pour manger.
8. Ary tamin' ny indray andro dia nandalo tany Sonema Elisa, ary nisy vehivavy manankaja teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary izao no zava-nisy, isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9. And she said unto her husband, Behold now, I perceive that this is an holy man of God, which passeth by us continually.
9. Elle dit à son mari: Voici, je sais que cet homme qui passe toujours chez nous est un saint homme de Dieu.
9. Ary hoy ravehivavy tamin' ny lahy: Indro, fantatro fa masina sady lehilahin' Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
10. Let us make a little chamber, I pray thee, on the wall; and let us set for him there a bed, and a table, and a stool, and a candlestick: and it shall be, when he cometh to us, that he shall turn in thither.
10. Faisons une petite chambre haute avec des murs, et mettons-y pour lui un lit, une table, un siège et un chandelier, afin qu`il s`y retire quand il viendra chez nous.
10. "Masìna ianao, andeha isika hanao efitra kely, eo ambony manda; ary aoka asiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovanjiro ho azy ao; ary izao no hisy, raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka."
11. And it fell on a day, that he came thither, and he turned into the chamber, and lay there.
11. Élisée, étant revenu à Sunem, se retira dans la chambre haute et y coucha.
11. Ary tamin' indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin' ilay efitrano ary nandry tao.
12. And he said to Gehazi his servant, Call this Shunammite. And when he had called her, she stood before him.
12. Il dit à Guéhazi, son serviteur: Appelle cette Sunamite. Guéhazi l`appela, et elle se présenta devant lui.
12. Ary hoy izy tamin' i Gehazy mpanompony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.
13. And he said unto him, Say now unto her, Behold, thou hast been careful for us with all this care; what is to be done for thee? wouldest thou be spoken for to the king, or to the captain of the host? And she answered, I dwell among mine own people.
13. "Et Élisée dit à Guéhazi: Dis-lui: Voici, tu nous as montré tout cet empressement; que peut-on faire pour toi? Faut-il parler pour toi au roi ou au chef de l`armée? Elle répondit: J`habite au milieu de mon peuple."
13. Ary hoy Elisa tamin' i Gehazy: Mbà lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin' izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? tianao holazaina amin' ny mpanjaka va ianao, na amin' ny komandin' ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra aty amin' ny fireneko aho.
14. And he said, What then is to be done for her? And Gehazi answered, Verily she hath no child, and her husband is old.
14. Et il dit: Que faire pour elle? Guéhazi répondit: Mais, elle n`a point de fils, et son mari est vieux.
14. Ary hoy Elisa: Fa inona àry no hatao ho azy? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy manan-janaka izy, raha ny marina, sady efa antitra ny lahy.
15. And he said, Call her. And when he had called her, she stood in the door.
15. Et il dit: Appelle-la. Guéhazi l`appela, et elle se présenta à la porte.
15. Ary hoy Elisa: Antsoy àry izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
16. And he said, About this season, according to the time of life, thou shalt embrace a son. And she said, Nay, my lord, thou man of God, do not lie unto thine handmaid.
16. Élisée lui dit: A cette même époque, l`année prochaine, tu embrasseras un fils. Et elle dit: Non! mon seigneur, homme de Dieu, ne trompe pas ta servante!
16. Dia hoy izy: Raha mby amin' ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin' Andriamanitra, aza mandainga amin' ny ankizivavinao.
17. And the woman conceived, and bare a son at that season that Elisha had said unto her, according to the time of life.
17. Cette femme devint enceinte, et elle enfanta un fils à la même époque, l`année suivante, comme Élisée lui avait dit.
17. Koanefa nanana anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin' ilay nolazain' i Elisa taminy.
18. And when the child was grown, it fell on a day, that he went out to his father to the reapers.
18. L`enfant grandit. Et un jour qu`il était allé trouver son père vers les moissonneurs,
18. Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin' ny rainy tany amin' ny mpijinja izy indray andro.
19. And he said unto his father, My head, my head. And he said to a lad, Carry him to his mother.
19. il dit à son père: Ma tête! ma tête! Le père dit à son serviteur: Porte-le à sa mère.
19. Ary hoy izy tamin-drainy: Endrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin' ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.
20. And when he had taken him, and brought him to his mother, he sat on her knees till noon, and then died.
20. Le serviteur l`emporta et l`amena à sa mère. Et l`enfant resta sur les genoux de sa mère jusqu`à midi, puis il mourut.
20. Dia notrotroin' ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan' ny andro dia maty.
21. And she went up, and laid him on the bed of the man of God, and shut the door upon him, and went out.
21. Elle monta, le coucha sur le lit de l`homme de Dieu, ferma la porte sur lui, et sortit.
21. Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin' ny fandrian' ilay lehilahin' Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
22. And she called unto her husband, and said, Send me, I pray thee, one of the young men, and one of the asses, that I may run to the man of God, and come again.
22. "Elle appela son mari, et dit: Envoie-moi, je te prie, un des serviteurs et une des ânesses; je veux aller en hâte vers l`homme de Dieu, et je reviendrai."
22. Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Masìna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin' ny lehilahin' Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
23. And he said, Wherefore wilt thou go to him to day? it is neither new moon, nor sabbath. And she said, It shall be well.
23. Et il dit: Pourquoi veux-tu aller aujourd`hui vers lui? Ce n`est ni nouvelle lune ni sabbat. Elle répondit: Tout va bien.
23. Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinambolana, na sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: ka maninona anefa.
24. Then she saddled an ass, and said to her servant, Drive, and go forward; slack not thy riding for me, except I bid thee.
24. "Puis elle fit seller l`ânesse, et dit à son serviteur: Mène et pars; ne m`arrête pas en route sans que je te le dise."
24. "Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin' ny zatovony: Ampandehano izy, ka mizora; aza miahotrahotra akory amin' ny fampandehanana azy, raha tsy ampijanoniko ianao."
25. So she went and came unto the man of God to mount Carmel. And it came to pass, when the man of God saw her afar off, that he said to Gehazi his servant, Behold, yonder is that Shunammite:
25. Elle partit donc et se rendit vers l`homme de Dieu sur la montagne du Carmel. L`homme de Dieu, l`ayant aperçue de loin, dit à Guéhazi, son serviteur: Voici cette Sunamite!
25. Dia lasa ravehivavy nankany amin' ny lehilahin' Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary izao no niseho, raha vao tazan' ny lehilahin' Andriamanitra lavitra izy, dia hoy izy tamin' i Gehazy mpanompony: Indro, ilay Sonemita iry!
26. Run now, I pray thee, to meet her, and say unto her, Is it well with thee? is it well with thy husband? is it well with the child? And she answered, It is well.
26. Maintenant, cours donc à sa rencontre, et dis-lui: Te portes-tu bien? Ton mari et ton enfant se portent-ils bien? Elle répondit: Bien.
26. Masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao? Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zaza? Ary namaly izy hoe: Tsara ihany.
27. And when she came to the man of God to the hill, she caught him by the feet: but Gehazi came near to thrust her away. And the man of God said, Let her alone; for her soul is vexed within her: and the LORD hath hid it from me, and hath not told me.
27. Et dès qu`elle fut arrivée auprès de l`homme de Dieu sur la montagne, elle embrassa ses pieds. Guéhazi s`approcha pour la repousser. Mais l`homme de Dieu dit: Laisse-la, car son âme est dans l`amertume, et l`Éternel me l`a caché et ne me l`a point fait connaître.
27. "Ary rehefa tonga tany amin' ny lehilahin' Andriamanitra tany an-kavoana izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin' Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko."
28. Then she said, Did I desire a son of my lord? did I not say, Do not deceive me?
28. Alors elle dit: Ai-je demandé un fils à mon seigneur? N`ai-je pas dit: Ne me trompe pas?
28. Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza tamin' ny tompoko va aho? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy.
29. Then he said to Gehazi, Gird up thy loins, and take my staff in thine hand, and go thy way: if thou meet any man, salute him not; and if any salute thee, answer him not again: and lay my staff upon the face of the child.
29. "Et Élisée dit à Guéhazi: Ceins tes reins, prends mon bâton dans ta main, et pars. Si tu rencontres quelqu`un, ne le salue pas; et si quelqu`un te salue, ne lui réponds pas. Tu mettras mon bâton sur le visage de l`enfant."
29. "Ary hoy Elisa tamin' i Gehazy: Misikìna, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana; raha mifanena amin' olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin' ny tavan' ny zaza ny tehiko."
30. And the mother of the child said, As the LORD liveth, and as thy soul liveth, I will not leave thee. And he arose, and followed her.
30. La mère de l`enfant dit: L`Éternel est vivant et ton âme est vivante! je ne te quitterai point. Et il se leva et la suivit.
30. Ary hoy ny renin' ny zaza: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao aho. Ary nitsangana ilay lehilahin' Andriamanitra ka nanaraka azy.
31. And Gehazi passed on before them, and laid the staff upon the face of the child; but there was neither voice, nor hearing. Wherefore he went again to meet him, and told him, saying, The child is not awaked.
31. "Guéhazi les avait devancés, et il avait mis le bâton sur le visage de l`enfant; mais il n`y eut ni voix ni signe d`attention. Il s`en retourna à la rencontre d`Élisée, et lui rapporta la chose, en disant: L`enfant ne s`est pas réveillé."
31. "Ary nialoha azy Gehazy ka nametraka ny tehina teo amin' ny tavan' ny zaza; nefa tsy nisy feo na fandrenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy nahatsiaro akory ny zaza."
32. And when Elisha was come into the house, behold, the child was dead, and laid upon his bed.
32. Lorsque Élisée arriva dans la maison, voici, l`enfant était mort, couché sur son lit.
32. Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandriana teo am-pandriany.
33. He went in therefore, and shut the door upon them twain, and prayed unto the LORD.
33. Élisée entra et ferma la porte sur eux deux, et il pria l`Éternel.
33. Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin' i Jehovah.
34. And he went up, and lay upon the child, and put his mouth upon his mouth, and his eyes upon his eyes, and his hands upon his hands: and he stretched himself upon the child; and the flesh of the child waxed warm.
34. "Il monta, et se coucha sur l`enfant; il mit sa bouche sur sa bouche, ses yeux sur ses yeux, ses mains sur ses mains, et il s`étendit sur lui. Et la chair de l`enfant se réchauffa."
34. "Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin' ny zaza, ka ny vavany nataony tamin' ny vavany, ary ny masony tamin' ny masony, ary ny tanany tamin' ny tanany; ary niampatra tamin' ny zaza izy, ka dia nafana ny tenan' ny zaza."
35. Then he returned, and walked in the house to and fro; and went up, and stretched himself upon him: and the child sneezed seven times, and the child opened his eyes.
35. Élisée s`éloigna, alla çà et là par la maison, puis remonta et s`étendit sur l`enfant. Et l`enfant éternua sept fois, et il ouvrit les yeux.
35. "Dia niverina izy ka niasa-dia tao an-trano ary niakatra ka niampatra tamboniny indray; dia nievina impito ny zaza, ary dia nahiratry ny zaza ny masony."
36. And he called Gehazi, and said, Call this Shunammite. So he called her. And when she was come in unto him, he said, Take up thy son.
36. Élisée appela Guéhazi, et dit: Appelle cette Sunamite. Guéhazi l`appela, et elle vint vers Élisée, qui dit: Prends ton fils!
36. Ary Elisa niantso an' i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37. Then she went in, and fell at his feet, and bowed herself to the ground, and took up her son, and went out.
37. Elle alla se jeter à ses pieds, et se prosterna contre terre. Et elle prit son fils, et sortit.
37. Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin' ny tongony sady niankohoka tamin' ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
Death in the Pot
38. And Elisha came again to Gilgal: and there was a dearth in the land; and the sons of the prophets were sitting before him: and he said unto his servant, Set on the great pot, and seethe pottage for the sons of the prophets.
38. Élisée revint à Guilgal, et il y avait une famine dans le pays. Comme les fils des prophètes étaient assis devant lui, il dit à son serviteur: Mets le grand pot, et fais cuire un potage pour les fils des prophètes.
38. "Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin' ny tany; ary ny zanakalahin' ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, dia hoy izy tamin' ny mpanompony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe ary mahandroa hanina ho an' ny zanakalahin' ny mpaminany."
39. And one went out into the field to gather herbs, and found a wild vine, and gathered thereof wild gourds his lap full, and came and shred them into the pot of pottage: for they knew them not.
39. "L`un d`eux sortit dans les champs pour cueillir des herbes; il trouva de la vigne sauvage et il y cueillit des coloquintes sauvages, plein son vêtement. Quand il rentra, il les coupa en morceaux dans le pot où était le potage, car on ne les connaissait pas."
39. "Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voatangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin' io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin' ny vilany nisy hanina, fa tsy nisy nahafantatra."
40. So they poured out for the men to eat. And it came to pass, as they were eating of the pottage, that they cried out, and said, O thou man of God, there is death in the pot. And they could not eat thereof.
40. "On servit à manger à ces hommes; mais dès qu`ils eurent mangé du potage, ils s`écrièrent: La mort est dans le pot, homme de Dieu! Et ils ne purent manger."
40. Ka dia noloarany hohanin' ny olona izany. Ary izao no niseho, raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin' Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina izany.
41. But he said, Then bring meal. And he cast it into the pot; and he said, Pour out for the people, that they may eat. And there was no harm in the pot.
41. Élisée dit: Prenez de la farine. Il en jeta dans le pot, et dit: Sers à ces gens, et qu`ils mangent. Et il n`y avait plus rien de mauvais dans le pot.
41. Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin' izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
Feeding of a Hundred
42. And there came a man from Baalshalisha, and brought the man of God bread of the firstfruits, twenty loaves of barley, and full ears of corn in the husk thereof. And he said, Give unto the people, that they may eat.
42. Un homme arriva de Baal Schalischa. Il apporta du pain des prémices à l`homme de Dieu, vingt pains d`orge, et des épis nouveaux dans son sac. Élisée dit: Donne à ces gens, et qu`ils mangent.
42. Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin' ny voaloham-bokatra ho an' ny lehilahin' Andriamanitra, dia mofo vary hordea roapolo sy babim-barimbazaha tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Avoahy mba hohanin' ny olona.
43. And his servitor said, What, should I set this before an hundred men? He said again, Give the people, that they may eat: for thus saith the LORD, They shall eat, and shall leave thereof.
43. "Son serviteur répondit: Comment pourrais-je en donner à cent personnes? Mais Élisée dit: Donne à ces gens, et qu`ils mangent; car ainsi parle l`Éternel: On mangera, et on en aura de reste."
43. "Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan' ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona mba hohaniny; fa izao no lazain' i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany."
44. So he set it before them, and they did eat, and left thereof, according to the word of the LORD.
44. "Il mit alors les pains devant eux; et ils mangèrent et en eurent de reste, selon la parole de l`Éternel."
44. Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin' i Jehovah.